Niger : Miharitra ny reniranon’i Niger
Miharitra ny reniranon’iNiger ao amin’ny faritr’i Niamey. Misy akony lehibe eo amin’ireo seha-pihariana any an-toerana izany, indrindra fa ny jono. Maro amin’ireo mpanjono no tsy mahazo vokatra intsony noho fidinan’ny hadirin’ny rano, tsy misy intsony ihany koa ireo trondro miakatra vokatr’izany, na efa mandany fotoana maro amin’ny fanaratoana aza. Manampy trotraka izany ao an-toerana ihany koa ny hafanana. Mamelona mponina Sahelianina manodidina ny 100 tapitrisa ity renirano mirefy 4.200km ity. Ireo mponina Sorkos no mahazo tombony voalohany ao anatin’izany, noho izy ireo sokajiana ho « olon-drano » hatramin’ny taon-jato maro : mpanjono, mpanarato, mpamonjy voina ihany koa ireo raha misy tranga tampoka. Nanomboka ny taona 1980 no nanomboka niharitra ity renirano ity. Ary amin’izao fotoana dia efa afaka hiampitana dia an-tongotra izany. Nisy akony lehibe teo amin’ny fomba fiainan’ireo mponina Sarkos izany, indrindra teo amin’ny fanatanterahana ny fomba amam-panao isan-karazany. Na eo aza anefa ny ezaka tamin’ny fandavahana sy fanitarana ny rerirano tamin’ny alalan’ny fanalana ireo fasika, dia tsy nahavaha ny olana tao an-toerana izany noho ny fitomboan’ny mponina be ao Niger sy ny main-tany vokatry asa fiveloman’ny mponina ao amin’ity firenena ity ihany.
