France : Olona fito no maty nandritran’ny fandalovan’ny rivo-doza Monica
Taorian’ny andro ratsy mahery vaika tany Atsimo Atsinanan’i France, tamin’iny faran’ny herinandro iny dia mahatratra 7 ny isan’ny maty. Lehilahy iray no hita tao Ardèche, ny talata hariva teo, nanampy isa ireo namoy ny ainy vokatry ny andro ratsy tao an-toerana. Mpihaza sy ireo akaiky ity lehilahy hita faty ity no nahita ny vatana mangatsiakany, izay tao amin’ny toerana tsy azon’ireo mpitandro filaminana sy ny mpamonjy voina nidirana. Raha ny voalazan’ny avy amin’ny zandarimaria, dia tomponandraikitra amin’ny toerana famokarana herinaratra ity lehilahy very ka hita faty ity, ary nanaramaso ny fametrahana ireo fitaovana no heverina nahafaty azy. Nitondra rotsak’orana betsaka maneranany kaontinanta Eoropenina ity tafiotra ity, izay nitondra ny anarana Monica. Zazavavikely iray efa-taona, sy ny ray aman-dreniny izay nentin’ny riaka, dia anisan’ny lasibatra tamin’izany. lehilahy iray ihany koa no mbola karohina. Namono olona maro tao Espagne ihany koa ity rivo-doza Monica ity.
