Chine : Nisehoana fipoahana entona, nahafatesana olona maherin’ny roa
Nisehoana fipoahana goavana, izay heverina ho vokatry ny fipoahana entona tao amin’ny toeram-pisakafoanana iray, tao Chine, omaly. Olona roa farahafakeliny no maty vokatr’izany ary nisy ihany koa ny fahasimbana goavana. Tany amin’ny 50km miala an’i Pékin no nitrangan’ny loza, raha ny voalaza. Tokony tamin’ny 8ora maraina, ora tany an-toerana no nisehoan’izany, tao amin’ny faritra onenan’i Sanhe, tanàna iray any ambanivohitr’i Beijing ary mponina maro no mivezivezy ao an-toerana, isan’andro rehefa hamonjy toeram-piasana. Mafy ny fipoahana nandritra izany, izay heverina ho vokatry ny fivoahan’ny entona tao amin’ny toeram-pisakafoanana iray. Olona roa no namoy ny ainy tao anatin’izany ary 26 ireo naratra mafy.
