ActualitésTsidika

Ankadikely Ilafy: Manjaka ny hala-botry

Manjaka ny hala-botry, eny amin’ireo faritra maro ao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy, amin’izao. Tsy mifidy fotoana, fa na andro alina na andro atoandro dia isehoan’izany avokoa, araka ny voalaza.

« Fampitandremana no atao amin’ireo mponina, indrindra ireo tsy misy olona lava ao an-trano na tsy misy miandry fa amin’ny andro atoandro no tonga mangalatra ireo olon-dratsy. Hidiran’izy ireo ny trano, eo amin’ny varavaran-kely no hidiran’izy ireo ary maka izay izy ireo » hoy i Tojo, niharan’ny vakitrano.

« Raha ny resaka tsy fandriam-pahalemana dia tena mampihaiky amin’izao fotoana. Hanaovana antso avo amin’ny tomponandraikitra mahefa sy ny mpitandro filaminana mba hijery akaiky sy handray fepetra manoloana ny zava-misy. Mitaintain-dava ny mponina » hoy i Tolotra, mponina ao Ilafy.

Anisan’ny vahaolana mahomby amin’ny ady amin’ny tsy fandriam-pahalemana ny hetsika tana-maron’ny tsy fandriam-pahalemana. Ao anatin’izany ny fiaraha-mientan’ny mponina sy ny mpitandro filaminana raha misy tranga eny amin’ny fiaraha-monina.

Laisser un commentaire