Avaradrano : Isan’ireo toko enina eto Imerina
Tafiditra ao anatin’ireo toko enina araka ny nandrafetan’ny mpanjaka Andrianampoinimerina (1787-1810) I Avaradrano. Izany dia nataony taorian’ny namoriany ny fanjakana Merina.
I Avaradrano, Vakinisisaony, Ambodirano, Marovatana, Vonizongo ary Vakinankaratra izany toko enina izany. Nofaritany niaraka tamin’ireo zana-bohitra ao aminy avy ireo toko enina ireo. Ambohimanga no renivohitra ho an’Avaradrano amin’ny faritra Avaratra Atsinanana. Miisa 4 kosa ireo zana-bohitra izay misy an’i Voromahery eto Antananarivo, Tsimahafotsy ao Ambohimanga, Tsimiamboholahy any Ilafy ary Mandiavato izay Ambohitrabiby. Toko iray hafa ihany koa i Vakinisisaony, izay Avaradrano Atsimo. Misy zana-bohitra 5 ao aminy misy an’i Zanamihoatra ao Alasora, Fokondramila ao Ambohitsoa, Zafimbazaha ao Dilambato Andramasina, Atsimondrano ao Iharanandriana ary Ampahadimy Vakiniadiana ao Ambatomanga sy Ambohipaniry.
I Antananarivo indray dia niverina ho renivohitry ny Fanjakana Merina avy hatrany dieny ny taona 1794 raha vao voavorin’ny Mpanjaka Andrianampoinimerina (1787-1810) ho fanjakana iray Imerina 4 toko. Marihina fa niampy toko telo fanampiny izy ity taty amin’ny faramparan’ny fanjakan’ny Andriamanjaka : Valalafotsy, Mamolakazo, Mandridrano. Rehefa nanaiky ho Zanaky ny mpanjaka Andrianampoinimerina ny fanjakana Betsileo dia nampidiriny tao anatin’ny Tokon’i Vakinankaratra koa Ambositra.
Nicole Rafalimananjara
