ActualitésTsidika

Talata Volonondry : Nisy ny hetsika fambolen-kazo niarahana tamin’ny ministeran’ny atitany

Nitondra ny anjara birikiny tamin’ny fambolen-kazo, tao amin’ny kaominina Talata Volonondry ny avy amin’ny ministeran’ny Atitany sy ny distrika Avaradrano ny faran’ny herinandro teo. Fandraisana anjara ao anatin’ny fanarenana ny tontolo iainana izany, araka ny voalaza.

« Manana anjara amin’ny fanarenena ny tontolo iainana avokoa ny tsirairay. Ao anatin’ny fotoana fambolena hazo izao ka tokony samy hanao ezaka ny tsirairay hamboly hazo satria mamelona aina ho an’ny firenena izany » hoy i Mario, mpirotsaka an-tsitrapo.

« Mila hamafisina ny fanentanana amin’ny fambolen-kazo,fa indrindra ny fanaraha-maso azy ireny. Manana andraikitra ny rehetra ao anatin’izany ka tokony hiara-hientana amin’ny fikoloana ireo zana-kazo nambolena » hoy i Hoby, mponina ao Talata volonondry.

Ny ministera isan-tsokajiny moa dia miara-mientana amin’ny eny amin’ny distrika sy ny kaominina amin’ny fanatanterahana izany fambolen-kazo izany.

Laisser un commentaire