Iran : Maherin’ny 834 ireo olona novonoina ny taona 2023
Niakatra hatramin’ny 43% ny tahan’ny famonoana olona niseho tao Iran, ny taona 2023, raha oharina ny taona 2022, araka ny tatitra navoakan’ny Fikambanana misahana ny fiarovana ny zon’olombelona sy ny sampana manohatra ny fanamelohana ho faty any an-toerana. Ny taona 2023, maherin’ny 834 ireo olona novonoina. Isa izay ambony indrindra hatramin’ny taona 2015. I Iran no firenena mamono olona be indrindra, amin’ny fampiharana ny sazy fanamelohana ho faty, ankoatra an’i Chine sy Arabie Saoudite. Ny taon-dasa teo, maherin’ny 22 tamin’ireo voaheloka ho faty no vehivavy. Anisan’ny tranga mahatonga ny sazy fanamelohana ho faty ao amin’ity firenena ity ny resaka zava-mahadomelina, ankoatra izay ny vono olona.
