ActualitésTsidika

Alasora: Mitohy ny hetsika “andrimasom-pokonolona”

Mitohy hatrany ny hetsika fitandroana ny filaminana ataon’ireo vatan-dehilahy ao amin’ny fokontany Ambodivondava Alasora. Tsy mitsahatra ny manao fiambenana amin’ny alina ireto farany amin’ny andrimasom-pokonolona.

“Ho fitandroana ny filaminana hatrany ny tanjona ao anatin’ny hetsika. Mafana dia mafana ny resaka tsy fandriam-pahalemana tato ho ato tety an-toerana ka izay no nahatonga ny fanapahan-kevitra hanetsika indray ny vatan-dehilahy hanao ny fiambenana ny tanàna amin’ny alina” hoy ireo tomponandraikitra.

“Hevitra tena mety ary tsara halain-tahaka ny tahaka izao. Manampy ny asan’ny mpitandro filaminana amin’ny famongorana ireo mpanao ratsy. Tsy tokony hijanona amin’ny toerana iray anefa izy ireo fa tokony tohizana hatrany ny fisafoana sy ny fitsirihana ireo elakelan-trano” hoy I Roberto, mponina ao Alasora.

Ho an’ny fokontany hafa, miandry ary mangataka ny hametrahana izany andrimasom-pokonolona izany ihany koa ireo mponina, anisan’izany ny fokontany Mandikanamana, Ambohidrazaka sy ireo fokontany ahitana asan-jiolahy matetika.

Laisser un commentaire