ActualitésTsidika

Ankadikely Ilafy : Nirosoana ny dingana manaraka ao anatin’ny tetikasa « Prirtem I »

Niroso tamin’ny fanatanterahana ny dingana manaraka ireo tomponandraikitra misahana ny tetikasa Prirtem I ao amin’ny fokontany Ambohibe, kaominina Ankadikely Ilafy. Tonga teny an-toeran indray ireo tomponandraikitra tamin’ity herinandro ity nanao ny tombana eo amin’ireo tany voakasiky ny tetikasa, araka ny voalaza.

« Tao aorian’ny fametrahana ireo takelaka nampahafantatra ny tetikasa « Prirtem I » eto amin’ny Ambohibe dia nirosoana androany ny dingana manaraka amin’ny fanombanana ireo tany voakasikin’ny tetikasa eto an-toerana. Ny Kaomisiona Mpanombana ny fanonerana (Commission administrative d’évaluation) avy amin’ny fitondram-panjakana no nanatanteraka ny asa amin’izany » hoy ny avy amin’ireo tomponandraikitra.

« Ao anatin’ny asa fampandrosoana sy fampivoarana ny tanàna ny fametrahana tetikasa tahaka izao. Mba samy hisitraka ny vokatra eo amin’ny fanatsarana sy fampitomboana ny herinatra ny tsirairay » hoy ireo mpandinika fiaraha-monina.

Raha tsiahivina, ny tetikasa PRIRTEM I dia tetikasa miompana amin’ny fampitohizana an’i Toamasina amin’Antananarivo. Ao anatin’izany tetikasa izany ny hananganana Tambazotra (mirefy 267 km) mitondra herinaratra mahery vaika hatramin’ny 220.000 V. 

Laisser un commentaire