SocialTatitra

Sri Lanka : Nahitana voalavo tao anatin’ny fiaramanidina, voatery natsahatra ny sidina

Voatery natsahatra nandritra ny telo andro ny sidina nataon’ny Airbus Sri Lanka noho ny fahitana voalavo iray tao anatin’ity fiara-manidina ity. Niteraka fahatrana, ary mety hanome sary ratsy ho an’ny kaompania Sri Lanka ity tranga ity, indrindra ny eo amin’ireo mpamatsy vola any aoriana.

Ny alakamisy no hita tao anatin’ity fiaramanidina ity voalavo ity, izay vao hiainga tao Lahore, tanàna pakistaney. Tsy maintsy nohamarinina avokoa araka izany ireo karazana tariby sy fitaovana rehetra tao anatin’ity, hisorahana ny mety fihinanan’ilay voalavo, na ny fikikisany ireo karazana tariby ao anatin’ity fiaramanidina ity. Raha ny nambaran’ireo tomponandraikitra, afaka nanatanteraka ny sidina ity fiaramanidina ity, saingy ny nanatsaharana izany nandritra ny telo andro dia anisan’ny niteraka fanakorontanana eo amin’ny fandaharam-potaoanan’ny sidina hafa.

Laisser un commentaire