ActualitésTsidika

Ambohimanambola : Nahazo jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro avy amin’ny fikambanana ny fokontany Gara

Tao amin’ny fokontany Gara indray no nanohizan’ny fikambanana iray hetsika ho fanampiana ny mponina, ao amin’ny kaominina Ambohimanambola, tamin’ny herinandro teo. Nandritra  izany no nanoloran’ny fikambanana Mitia-Soa jiro ho an’ny fokontany.

« mba hanampy amin’ny ady amin’ny tsy fandriam-pahalemana dia notoloran’ny association Mitia-Soa ireo jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandri hanazava ireo elakelan-trano sy izay hita fa handehanan’ny olona maro isan’andro ny fikambanana » hoy ny avy amin’ireo tomponandraikitra.

« Mila entanina ny mponina amin’ny fiarovana ireny jiro ireny amin’ny mpangalatra. Tahaka ireo jiro napetaka teo aloha, lasibatry ny halatra avokoa ka zava-poana ny ezaka raha tsy ho sarotiny sy handray ny andraikiny ny tsirairay » hoy i Tiana, mponina ao Ambohimanambola.

Tsy eo ami’ny fizarana jiro ihany moa no ataon’ity fikambanana ity fa misy ihany koa ireo asa fampandrosoana samihafa, araka ny filàn’ny mponina eny amin’ny fokontany. Mbola hitohy hatrany moa izany ezaka izany.

Laisser un commentaire