ActualitésTsidika

Ambohimangakely : Hisy ny « tournoi du maire » eo amin’ny taranja Volley-ball

Hisy ny lalao fiadiana ny amboaran’ny ben’ny tanàna, eo amin’ny taranja Volley-ball, izay karakarain’ny kaominina Ambohimangakely. Ny sabotsy 02 martsa 2024 no hanatanterahana ny fifaninanana, ao amin’ny tokotanin’ny Lycée Ambohimangakely ihany, raha ny voalaza.

« Ho fanohanana hatrany ny tanora sy ny fanatanjahan-tena dia manao ezaka hatrany ny kaominina amin’ny fikarakara ireo lalao fifaninanana isan-karazany mba hanomezana sehetra ny fanatanjahan-tena izany. Tsy ho diso anjara fa samy mahazo izay tandrify azy avokoa ireo lalao sy sehatra rehetra » hoy ny avy amin’ireo tomponandraikitra.

« Tsy mahazatra firy ny mahita kaominina mikarakara lalao eo amin’ity taranja Volley ball ity. Hisaorana lehibe ny kaominina nanolotra sy nanome sehatra izany satria anisan’ny taranja adinodinon’ny maro ny volley ball kanefa maro ireo tanora tia sy misehatra aminy » hoy i Jocyah, mpilalao volley-ball.

Fokontany miisa efatra no handray anjara amin’ity fifaninanana ity. Ny fokontany Soamanandrariny, ny fokontany Ankandindambo, ny fokontany Antanambao ary ny fokontany Ambohimangakely.

Laisser un commentaire