SocialTatitra

Thaïlande : Voatery nanao asa any an-trano ireo mpiasa noho ny fahalotoan’ny rivotra

Tany an-trano avokoa no nanao ny asany ireo mpiasa rehetra tao an-tanànan’i Bangkok, ny faran’ny herinandro teo, vokatry ny fiakaran’ny tahan’ny fahalotoan’ny rivotra ao amin’ity renivohitr’i Thaïlande ity. Ny andron’ny alakamisy, rakotra zavona tsy azo niainana no nandrakotra ny tanàna, izay honenan’olona manodidina ny enina tapitrisa eo ho eo. Anton’ny nahatonga ny governemanta tany an-toerana nandray ity fanapahan-kevitra ity. Mpiasa manodidina ny 60.000 isa no voakasik’izany. Tafahoatra ny fahalotoan’ny rivotra ao amin’ity firenena ity. Tandindon-doza araka izany ny fahasalaman’ireo mponina any an-toerana satria efa mihoatra avo 15 heny ny fenitra fahadiovan’ny rivotra napetraky ny vondron’ny firenena mikambana misahana ny fahasalamana (OMS) izany. Anisan’ny tena antony mahatonga ny fahalotoan’ny rivotra any an-toerana moa ny setroka avokan’ny fiara, ny vokatry ny fahamaizan’ny ala, fandorana mololo ary ny setroka avoakan’ireo orinasa samihafa any an-toerana.

Laisser un commentaire