Alasora: Mpiambina amin’ny orinasa iray tratra nivarotra ireo fitaovana amidy
Mpiambina tamin’ny orinasa jirama teny Alasora no tratran’ny polisy avy ao amin’ny kaomisarian’ny polisy Alasora, nanao varomaizina, omaly. Mamoaka sy mivarotra ireo vy izay ambenany ireto farany ka nisy nitoroka ary noraisim-potsiny, raha ny voalaza.
« Naharay antso avy amin’ny olona tsara sitrapo ny polisy fa misy olona mpiambina fitahirizana vy an’ny orinasa jirama mamoaka sy mivarotra ireo vy izay ambenany. Tsy niandry ela fa nidina nijery ny zava-misy avy hatrany ny polisy ka tratra tao tokoa ireo vy sy ny mpividy azy » hoy ny avy amin’ny kaomisarian’ny polisy Alasora.
« Maro ireo tia kely sy mivelona amin’ny halatra toa izao, amin’izao fotoana. Antony maro no mahatonga izany kanefa anisan’ny tena olana fototra dia ny fahasahiranana noho ny vidim-piainana sy ny tsy fahampian’ny vola miditra aminy, hamelomana tena sy ankohonana ka lasa mangalatra » hoy i Faniry, mpianatra.
Nentina avy hatrany teny aminlny biraon’ny polisy moa ity lehilahy ity ary miandry ny fampanoavana azy.
