France : Manodidina ny 5.000 isa ireo namoy ny ainy vokatry ny hafanana ny taona 2023
Manodidina ny 5000 isa eo ireo namoy ny ainy, vokatry ny hafanana, tany France, ny taona 2023. Araka ny tombana nataon’ireo tomponandraikitra any an-toerana, dia 5167 ireo maty nandritra ny fotoanan’ny maitany 2023 tany France, noho ny fisian’ny « canicule ». Tranga fahaefatra anisan’ny nanamarika an’i France indrindra, taorian’ny canicule ny taona 1900, 2003, 2022 ary 2023 izay samy namoizana ain’olona an’arivony avokoa.
