Anjeva : Efa fanao isan-taona ny asa fikarakarana ny kianja Salazana
Andalam-pamaranana ny asa fanatsarana sy fanamboarana ny kianja filalaovam-baolina Salazana Anjeva ireo tomponandraikitra amin’izao fotoana. Efa fanao isan-taona, isaky ny volana janoary ny fikarakarana ity kianja ity, araka ny voalaza.
« Asa efa fanao isan-taona fa tsy vao izao akory no nisy ny fikarakarana ny kianja St Bebel Salazana Anjeva gara. Ny asa natao nandritra izany moa dia nosavaina sy novelomina ireo tatatra manary rano manodidina ny kianja, naravona sy nesorina ireo dongona mety handratra eo ambony kianja, ary nambolena bozaka natoraly, tahaka ireo efa maniry, ireo faritra banga » hoy ny avy amin’ny tomponandraikitra.
« Zava-dehibe ny asa fanatsarana sy fikarakarana tahaka izao. Marihina fa misokatra ho an’ny mpianatra manao gymnastique ny kianja ny tapaky ny volana Febroary, natokana ho an’ny hazakazaka irery ihany » hoy hatrany ny fanazavana.
Anisan’ny mpankafy ary tia baolina kitra ny mponina, indrindra ny tanora ao amin’ity kaominina ity. Zava-dehibe ho azy ireo ny fandraisana an-tanana sy fikarakarana ny kianja tahaka izao. Marihina moa, fa nafindra vonjimaika eny amin’ny kianja fokontany Faliary ny fifaninanana baolina kitra nokarakarain’ny kaominina, mandrapahavita soa aman-tsara ity kianja ity.
