France : Zaza iray namoy ny ainy, am-polony naratra vokatry ny hain-trano tao Marseille
Zazakely iray 7 taona no namoy ny ainy, ary olona am-polony hafa no voa mafy vokatry ny firehetana tamin’ny trano lehibe iray, misy rihana fito tao Marseille, omaly talata maraina. Tao amin’ny rihana faharoa no nisehoan’ny firehetana. Nentina namonjy hopitaly haingana ireo olona iraika ambin’ny folo tavela tao amin’ity trano ity. Araka ny nambaran’ny kaomandin’ny sampana mpamonjy voina tany an-toerana, voafehy tao anatin’ny ora iray ny afo saingy vokatry ny setroka matevina sy mahafaty vokatry ny firehetana no tena nahavoa ireo niharam-boina.
