Inde : Nanatrika ny lanonana ara-miaramila tao New-Delhi ny filoham-pirenena frantsay, Emmanuel Macron
Nahazo fanasana manokana avy amin’ny paraiministra indianina, Narendra Modi, hanatrika ny lanonam-panjakana, ny matso nataon’ireo miaramila, nandritra ny fankalazana ny andron’ny lalam-panorenena Indianina, natao tao New Delhi, ny filoham-pirenena Frantsay Emmanuel Macron, ny zoma teo. Anisan’ny manamafy ny fifandraisana ara-diplomatika sy ny fiaraha-miasa eo amin’ny lafin’ny indostria eo amin’ny firenena roa tonta izany fifanatrehana izany , araka ny voalaza.
