ActualitésTsidika

Anjeva : Mitohy hatrany ny hetsika ben’ny tanàna mitety vohitra

Mitohy hatrany ny hetsika ben’ny tanàna mitety vohitra, izay ataon’ny ben’ny tanàna ao amin’ny kaominina Anjeva gara. Tao amin’ny vohitra Miadamandroso, fokontany Anjeva gara indray no notsidihina ny herinandro lasa teo.

« Notohizana tao amin’ny vohitra  Miadamandroso indray ny fidinana ifotony nataon’ny tomponandraikitra eto amin’ny kaominina. Tahaka ny fanao mahazatra, nisy ny tafatafa niaraka tamin’ny mponina tao an-toerana, ankoatra izay natolotra ny lalan-kely mirefy 200m eo ho eo, natao rarivato. Nisy ihany koa ny fijerevana ireo jiro miisa fito napetraka hanazava ny tanàna » hoy ny tomponandraikitra mpitantana ny kaominina.

« Liam-pivoarana tokoa ny tomponandraikitra matoa tonga ety ifotony mijery ny zava-misy iainan’ny mponina sy mifampitafa mahakasika ny olana sy ny asa fampandrosoana tiana ho hisy amin’ny tanàna. Hisaorana azy hatrany ezaka ataony satria zava-dehibe ho an’ny fampivoarana ny tanàna izany » hoy i Ravo, mponina ao Anjeva gara.

Manao ezaka hatrany ny mpitantana ny kaominina amin’ny fandehanana eny ifotony sy mitafa amin’ny vahoaka mahakasika ny fampandrosoana ny tanàna. Mbola hitohy hatrany moa izany hetsika izany ary samy ahazo ny anjarany avokoa ireo vohitra ao an-toerana.

Laisser un commentaire