ActualitésTsidika

Ambohimangakely : Nahatratrarana rongony maniry teo an-tokotaniny, nahiditra am-ponja ny tovolahy iray

Rongony naniry teo an-tokotany, roa fototra, no hitan’ny zandary mpanao fisafoana tao amin’ny fokontany Ikianja, kaominina Ambohimangakely. Nampiharana ny lalàna avy hatrany ny tovolahy voalaza ho namboly azy ity, araka ny voalaza.

« Mitovy ny lalàna ho an’ny tratra mamboly fotony roa sy ny mamboly roa hekitara. Tsy mbola miova ny lalàna ka mamela ny fambolena rongony na dia « consommation personnelle » aza, satria mbola voarara ny fifohana azy eto amintsika » hoy ny avy amin’ny zandarimaria.

« Amin’ny lafiny iray tsara ny fampiharana ny lalàna, entina manafay ireo mpamboly sy mpamatsy na mpidoroka zava-mahadomelina. Amin’ny lafiny iray kosa anefa, tsy voahaja ny fampiharana ny lalàna ho an’ny tranga hafa, ohatra ny lalàna ampiharina amin’ireo tratra namono olona, na nanao heloka be vava. Tokony anaovan’ny mpitandro filaminana sy ny tomponandraikitra mahefa ezaka izany mba tsy hisian’ny fitongilalanana eo amin’ny fampiharana ny lalàna » hoy i Luc, mpianatra amin’ny ambaratonga ambony.

Marihina moa fa niakatra fitsarana tamin’ny 24 janoary teo ity tovolahy ity ary notanana am-ponja vonjimaika.

Laisser un commentaire