SocialTsidika

Tsy mitsahatra mitombo isa ny marary

Manomboka matahotra ny vahoaka ankehitriny manoloana ny aretina mandripaka erak’izao tontolo izao. Hany ka mila tsy ho voafehy intsony izay tokony hatao fa samy te hiaro tena avokoa ny tsirairay. Ny fiainana an-davan’andro ihany koa anefa tsy azo ialàna ao anatin’iznay rehetra izany. Betsaka no nijoro ho vavolombelona fa sarotra tokoa ny miady amin’ity aretina ity maneran-tany. Ny any Bresil manokana izao tena tsy mitsahatra mandevin’olona ny tompon’andraikitra ara-pahasalamana any an-toerana. Ho voafehy ihany ary ve ity aretina ity ? toa miha loza andro aman’alina mantsy ny heriny. Raha ny eto Madagasikara indray izao, ampitomboina hatrany ireo toerana fandraisana ny marary satria efa manomboka hiboka feno olona ny hôpitaly rehetra. Nosokafana izao ny CTC-19 Alarobia ny Talata 06 Avrily lasa teo, nirohatra nakany daholo indray ny olona. Hisokatra tsy ho ela indray koa ny CTC-19 Ankorondrano sy By Pass noho ny fitomboan’ny marary araka ny tatitry ny filan-kevitry ny Ministra ny Alarobia 07 Avrily lasa teo. Mbola miantso ireo trano fandraisam-bahiny izay azo atao hôpitaly handoavam-bola aza ny fanjakana amin’izao. Tsy ampy intsony ny toerana handraisana ny marary indrindra ihany koa ny mpiasan’ny fahasalamana koa miantso ireo izay mpiasan’ny fahasalamana afaka manatevin-daharana ireo efa miasa amin’ny ady amin’ny coronavirus ihany koa izy ireo. Hirariana mba ho tafavoaka velona amin’ity aretina ity i Madagasikara mba hahafahany miroso ka ho isan’ireo firenena mandroso amin’izay.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire