Ambohimangakely : Mpangaro-paosy hikoizana, tratra teo ampanaovana ny asa ratsiny
Mpangaro-paosy, mpanendaka ary mpanao sinto-mahery, efa hikoizana ary mpampitondra faisana ireo mpandeha fiara fitateram-bahoaka no tratran’ny mpitandro filaminana vao maraina, ny alatsinainy teo. Eo amin’ny toeram-piantsonana no tena fanaovany ny asa ratsiny, indrindra eo Mahazo Ravinala ka hatrany Analakely, araka ny voalaza.
« Ny marainan’ny 15 janoary, tamin’ny 06ora maraina no nidina teny an-toerana ny zandary ary nanara-maso ity lehilahy ity. Fantatra moa fa sady manendaka no mangaro-pasaosy no tena ataony ary asa fivelomany mihitsy izany » hoy ny avy amin’ny zandarimaria.
« Nosamborina avy hatrany izy, ary nahatratrarana finday smartphone android teny aminy. Taorian’izany dia notanana natao fanadihadiana mba hahalalana ireo namany, ny fomba fiasany sy ireo mpandray sy mpividy finday halatra » hoy hatrany ny fanazavana.
Tsy mifidy endrika, tsy mifidy tarehy ireo olon-dratsy amin’izao fotoana. Misy ireo mpangalatra madio lamba, matanjaka ary tsy ampoizina ny hanendaka. Ilaina mandrakariva ny fahamailona ao anatin’izany ary tokony hampandre ny zandarimaria raha misy ny tranga hafahafa eny amin’ny fiaraha-monina eny.
