Afrique : Karazana katro ny « Awalé »
Lalao iombonana niforona taty Afrique ny « Awalé ». Karazana lalao « mancala » malaza indrindra aty Afrique izy io izay natao hisamborana sy hanisana vato na voa ao anaty hazo fisaka misy lavaka na eo amin’ny tany.
Miparitaka amin’ny firenena maro aty Afrique io lalao io. « Wôli » na « wali » no fiantso azy ao Mali, adi ao Ghana, aji ao Benin, awalé na Côte d’Ivoire, awari sy awélé ao Côte d’Ivoire sy Ghana, ayo ao Nigeria, wure ao Sénégal, ouril sy uril aoCap-Vert, oware na owaré Ghana, Sija ao Tchad, wéri ao Côte d’Ivoire, wari ao Caraïbes, kay na hoyito ao Hispaniola ary igisoro ao Rwanda.
Katro kosa ny Awalé eto Madagasikara. Samy manana ny fitsipi-pilalaovana mifehy azy io lalao io amin’ireo firenena ireo. Ao Côte d’ivoire dia roa ny fepetra fototr’izany : ny « règle bété » izay tsy maintsy ahitana efitra 10 amin’ny hazo fisaka sy ny « règle commune ». Marihina fa ireo fepetra ireo no eken’ny federasionin’io lalao io.
