ActualitésTsidika

Anjeva : Nisy ny hetsika ben’ny tanàna mitety vohitra

Nirotsaka an-tsehatra, nanatanteraka ny hetsika ben’ny tanàna mitety vohitra ny tomponandraikitra mitantana ny kaominina Anjeva gara, ny talata teo. teny amin’ny farita Lambomanana, fokontany Anjeva Tanàna no nanombohana izany tamin’ity taona vaovao ity, araka ny voalaza.

“araka ny efa fanaon’ny kaominina mahazatra, mandritra ny hetsika ben’ny tanàna mitety vohitra, ao anatin’ny fitsidihana dia misy ny tafatafa niarahana tamin’ireo mponina eny ifotony, ny fizarana bisikoitra ho an’ny kilonga madinika; teo ihany koa ny fanomezana solombodiakoho ho an’ireo zokiolona tangalamena tao an-tanana” hoy ny ben’ny tanàna ao an-toerana.

“Hisaorana ny ben’ny tanàna tonga tety an-toerana. Tena ilaina tokoa ny tahaka izao ahafantarana ny fiainan’ny mponina amin’ny ankapobeny, mahita ny zava-misy sy ny filàn’ny mponina ary hirariana moa hitohy hatrany izany ho fampandrosoana ny isam-potony” hoy i Naivo, mponina ao Anjeva.

Marihina moa fa nandritra izao fitsidihana ifotony izao dia nametrahana jiro lampadaire, miisa efatra izay hanazavana ny tanàna, ny fokontany Anjeva tanàna.

Laisser un commentaire