Corée du Sud: Mandrara ny fivarotana henan’alina ny parlemanta ao an-toerana
Nanatanteraka fidinana an-dalambe ireo mponina tao Séoul, nitaky ny fandrarana tsy hihinana ny henan’alika intsony manomboka izao. Hena fanaon’ireo mponina ao an-toerana sakafo, hatramin’ny taona maro ny henan’alika. Tao ho ato anefa, nahitana fihenany lehibe ny fanjifana izany. Henatra ho an’ny firenena ny fihinanana ny henan’alika, maro amin’ireo mponina ao an-toerana ihany koa no manao ny alika ho namana ka tsy manaiky ny ihinanana izany intsony.
