SocialTatitra

Etats-Unis : Nahavita nandeha irery teny amin’ny planeta Mars ilay angidimby sakely “Ingenuity” nalefan’ny NASA

Nahavita nandeha irery teny amin’ny planeta Mars ilay angidimby kely antsoina hoe Ingenuity an’ny orinasa NASA. Niraikitra tamin’ilay rover Perseverance foana i Ingenuity hatramin’ny nahatongavan’izy ireo teny amin’io planeta io, ny 18 febroary lasa teo. Miendrika drone lehibe saingy maivana i Ingenuity ary ny herinaratra avy tamin’ilay rover Perseverance no namelona azy hatramin’ny nahatongavan’izy ireo teny amin’ny planeta Mars. Tahotra ny amin’ny mety fahasimbany manoloana ny fidinanan’ny hafanana hatramin’ny -90° Celcius no antony tsy namelana azy hisaraka tamin’i Perserverance. Efa manana ny famokarana herinaratra avy amin’ny masoandro “panneaux solaire” –any manokana i Ingenuity amin’izao fotoana ka nandraman’i NASA nohesorina tamin’i Perseverance amin’izay, ny sabotsy 03 aprily lasa teo. Io no fanambarana an-tsoratra navoakan’ny orinasa NASA ny alatsinainy 05 aprily. Dingana faharoa ho atrehan’i Ingenuity kosa ny andrana fanidinana izay ho tanterahina manodidina ny 11 aprily ho avy izao hoy hatrany ny NASA. i Ingenuity araka izany no “drone” hanidina voalohany eny amin’ny planeta hafa.

Laisser un commentaire