Ankadikely Ilafy: Ho avy an-toerana indray ny Jiramobile
Ho avy ao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy, hanantona ny vahoaka indray ny Jiramobile. Manomboka ny alatsinainy 08 janoary ka hatramin’ny zoma 12 janoary no tonga ao an-toerana ireo tompon’andraikitra avy amin’ny jirama, hiaino sy hamaly ny fangatahan’ny mponina, araka ny voalaza.
“Amin’ity fiandohan’ny taona ity, dia ho hita eny anivon’ireo fokontany ny fiara lehiben’ny Jirama, na ny Jiramobile. Misy ny fandaminana mahakasika ny tetiandro sy ny toerana mandritra izany. Ny 08 sy 09 janoary dia ao Ankadikely, eo amin’ny Parking an’ny kaominina no hisy azy ireo. Ny 10 sy 11 janoary, ao Andranovelona, fiantsonan’ny fiara H. ary ny 12 janoary dia ao Antsapandrano, manoloana ny biraon’ny fokontany” hoy ny avy amin’ireo tomponandraikitra.
“ny tolotra na services ho hita mandritra izany fandalovany izany kosa, dia mandray ny fangatahana fampidirana jiro izy ireo na rano. Mivarotra fahana, mandray ireo fitarainana samihafa. Manaraka ny « dossier » raha toa ka efa manana « numéro de référence » avy teny amin’ny masoivoho nisy azy ny mpanjifa. Mamoaka ny « devis » raha efa vonona izany. Manaraka ny fandoavana (suivi des impayés). Mandray ny tapak’ila « auto-relevé » ary mamaly ireo filan-kevitra maro isankarazany” hoy hatrany ny fanazavana.
Ankoatra ireo moa dia mandray ny fandoavana faktiora amin’ny alalan’ny mobile money na TPE (visa sy BOA) ary chèque ireo tomponandraikitra. Marihina anefa fa tsy mandray lelavola ny Jiramobile.
