Afrique : Musaraigne éléphant, karazam-biby tsy fahita firy
Karazana biby mampinono mihinana biby kely (insectivore) ny « musaraigne éléphant » antsoina ihany koa hoe « musaraignes sauteuses » na « sengis ». Ao amin’ny fianakavian’ny Macroscelididae io biby io ary ao amin’ny filaharana Macroscelidea.
Araka ny « phylogénétique » dia tsy voasokajy ho « musaraigne » ao amin’ny filaharana Eulipotyphla ny « musaraigne éléphant » ary manakaiky kokoa ny « éléphant » noho ny « musaraigne ». Tamin’ny taona 1997 no nanolo-kevitra ny biolojista Jonathan Kingdon mba hiantsoana io biby io « sengis » izay fiteny « bantoues » ao Afrique. Ny taona 1998 kosa no nosokajiana tao amin’ny « clade » vaovao Afrotheria ny « musaraigne éléphant »
