Alasora: Ao anatin’ny fametrahana ireo jiro manazava ny tanàna ao amin’ny fokontany Mahatsinjo ny tomponandraikitra
Niroso tamin’ny fametrahana ireo jiro manazava ny tanàna (éclairages publiques) tao amin’ny fokontany Mahatsinjo, ny tomponandraikitra avy ao amin’ny kaominina Alasora sy ny jirama, ny faran’ny herinandro teo.
« Ao anatin’ny ezaka ataon’ny kaominina ny fametrahana hazavana eny amin’ireo fokontany isan’isany. Hisaorana ny jirama izay miara-miasa amin’ny fanatontosana izany » hoy ireo avy amin’ny kaominina.
« Zava-dehibe ho an’ny fampandrosoana ety ifotony ny ezaka tahaka izao. Hisaorana ny kaominina nijery manokana ny fokontany Mahatsinjo satria efa ela no niandrasana izao. Ny mponina ihany koa dia entanina ho sarotiny sy hahay hikojakoja izany satria fananana iombonana izy ireny » hoy i Henry, mponina ao Mahatsinjo, Alasora.
Taratry ny fandrosoana ny fisian’ny hazavana. Rehefa mazava ihany koa ny tanàna dia mandry fahalemana ny mponina. Ilaina anefa ny fiaraha-mientana ao anatin’izany ho fiarovana ireny fitaovana ireny amin’ireo tia kely s mpangalatra ny fitaovana iombonana.
