Ankadikely Ilafy : Tratra ireo zatovo mpanendaka tao Manjaka Ilafy
Andian-jatovo, manendaka ireo mpandalo ao amin’ny faritra Manjaka Ilafy no tratran’ny fokonolona, omaly Alakamisy. Vao maraina dia mikasa ny hanao ny asa ratsiny izy ireto, saingy noho ny fiaraha-mientan’ny mpiara-monina, dia izao tratra izao.
“Efa ela no niandrasan’ny mponina azy ireto ka izao tratra izao ny farany. Mampikolay ny asa fanendahana ety Manjaka Ilafy, mijaly ny mponina, mitaraina amin’ny tomponandraikitra noho ny afitsok’ireto zatovo ireto ka izao nandraisana fepetra izao” hoy i Mamy, mponina ao Manjaka Ilafy.
“Ny tena mampalahelo dia mbola tanora tokony hiary avokoa ireo manendaka sy manao ny asa ratsiny ireo. Ny maraina izy ireo miloka, avy eo mifoka ka manendaka no hiafarany. Mila hijerena vahaolana malaky satria simba ny fiaraha-monina ankehitriny ary tokony handraisana fepetra ihany koa ny momba ireo tanora mivorivory sy miloka isaky ny kihon-dalana ireo” hoy i Nina, tompona tsenam-barotra.
Ilaina ny fametrahana lalàna na fitsipika mba hamaizana ireo tanora tratra amin’ny asa ratsy tahaka izao, ka tsy hiverenan’izany intsony. Mila mandray fepetra ihany koa ny tomponandraikitra momba ireo tanora, izay maro an’isa amin’izao fotoana, ka tsy hivangongo na hifamporisika anaty asa ratsy sy ho fitsinjovana azy ireny hisorahana ny tahaka izao.
