7 Aprily : Andro iraisam-pirenena ho an’ny fahasalamana
Manana anjara toerana lehibe sy goavana amin’ny fampandrosoana ny firenena ny fahasalamana. Afaka misaina sy mandinika tsara izay fampandrosoana ilain’ny firenena mantsy ny vahoaka raha salama tsara. Ny datin’ny 7 Avrily indrindra no daty natokan’ny firenena rehetra manerana izao tontolo izao ho an’ny Fahasalamana. Raisina indrindra mandritra ny fankalazana raha ho an’ny eto Madagasikara manokana ny lohahevitra hoe » Fitsinjarana ara-drariny ny fahasalamana ». Nambaran’ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Prof Rakotovaohanitrala Jean Louis tamin’ny fanamarihana ny andro fa tobim-pahasalamana miisa 2660 no hisitraka ny fanomezana ireo fitaovana fototra ara-pahasalamana. Izany no natao mba hijerena ifotony ny isam-batan’olona amin’izay mety ilainy manoloana ny aretina mahazo azy. Mbola tena ao anatin’ny sehatra mila jerena akaiky mihitsy ny fahasalamana amin’izao satria miparitaka eto tokoa ny aretina COVID-19. Sarotra ny miady amin’ny aretina kanefa lahy tokana ny aina ka tsy maintsy kolokolina sy tandrovina. Tompon’andraikitra amin’ny fahasalamany manoloana ny Valan’aretina ny tsirairay. Koa samia miaro sy mitsabo mba hahasalama tsara ny aina ka hahavita hampandroso an’ity Gasikara malalantsika ity indray.
Nicole Rafalimananjara
