Sabotsy Namehana: Mpangalatra jiro cobra tratran’ny mpitandro filaminana
Roa lahy no saron’ny mpitandro filaminana teo ampanaovana ny asa ratsiny, ny alin’ny 15 novambra teo, manodidina ny amin’ny 1ora maraina. LeRomah sy LeZumba no anaram-bositra fiantso ireo olon-dratsy ireo, izy ireo no mangalatra ireo jiro cobra, mipetaka amin’ny andrin-jiron’ny JIrama tao amin’ny fokontany Antsofinondry, araka ny voalaza.
“Nandritra ny fisafoana nataon’ny zandary avy eto amin’ny Brigady Sabotsy Namehana no nahatratrarana ambodiomby an’i Leromah nihanika andrin-jiro ary mangalatra izany. Nambarany avy hatrany ny namany mpiara-mangalatra aminy, tsy iza akory fa Lezumba” hoy ny avy amin’ny zandarimaria.
“25 isa izay ny jiro efa nangalarin’izy ireo teo amin’ny faritra Sabotsy Namehana, Amorondria, Ambodivondava, Manarintsoa, Ambohinaorina, Namehana. Amidiny 25.000 Ariary eny Isotry eo amin’ny lamba tonta moa ny jiro rehetra izay azony. Ankoatra ny halatra jiro dia nahitana zava-mahadomelina mahery vaika (rôrô), niaraka tamin’ny fitaovana fampiasa amin’izany ihany koa ity Leromah ity nandritra ny fisavana am-batana natao azy” hoy hatrany ny fanazavana.
Mitohy hatrany ny ezaka ataon’ny mpitandro filaminana ho famongorana sy famaizana ireo tia kely, mpanimba ny fananana iombonana. Mitohy ihany koa ny fanadihadiana ary efa misy ireo mpiray ombon’antoka amin’izy ireo voatazona atao famotorana ihany koa, araka ny voalaza hatrany.
