Maro ny vokatra azo avy amin’ny fitsaboana netim-paharazana
Mitondra fandrosoana ho an’ny firenena iray ny fanomezana lanja ny vokatra vita ao aminy. Manana ny anjara toerany lehibe tokoa izany ary tokony ho reharehan’ny Malagasy tsirairay ny fananana azy ireny. Efa nahita vokatsoa marobe tamin’izany isika teto Madagasikara raha ny lafiny fitsaboana no resahina. Tsy vitsy amitsika no efa nahita fahasalamana tamin’ny fampiasasana raokandro Malagasy sy ireo fitsaboana netim-paharazana samihafa. Nandritran’izao fotonan’ny valan’ aretina izao aza moa isika mbola nahavita namokatra fanafody hiadiana amin’izany. Vokatry ny fikarohana Malagasy avokoa ireny. Efa zary kolotsaina ihainantsika eto Madagasikara avokoa ireny rehetra ireny ka tsy mahagaga intsony. Maha be resaka ny maro ankehitriny ny mahakasika ny famokarana ataon’ny mpitsabo netim-paharazana Malagasy iray, izay nilaza fa nahita fanafody ihany koa amin’ny ady amin’ny Covid-19, misy ny fiarovana ary misy ihany koa ny hoentina mitsabo. Ny fanjakana Malagasy anefa etsy ankilany mitaky antana-tohatra izay tokony harahina vao afaka mamokatra sy mivarotra izany vokatra izany. Maro ireo fanehoan-kevitra hita eny rehetra eny mahakasika izany, ao ny milasa fa tokony homena alalana hivarotra izany ity mpitsabo ity satria efa an-dohalika ny ranombary, eo ihany koa ny mametraka fanontaniana hoe: maninona no tsy ankatoavina ny fampiasana io fanafody io raha hita fa mahaomby ? Misy ihany koa anefa ireo manao hosoka sahady io fanafody io raha vantany vao niakatra ny olona nanjifa azy, ka mety ho antony nangatahan’ny minisitera fakana fahazoan-dalàna. Inona ary no vahaolana maharitra manoloana izany ? Tokony havelan’ny fanjakana halalaka amin’ny famokarana izany ve ny mpamokatra ?
Fanilo Rarivoarilala
