ActualitésTsidika

BTC: Misokatra ny fisoratana anarana ho an’ireo te hiditra ho Club BTC

Hisokatra manomboka ny 01 desambra izao ny Club BTC, ao Ambohimangakely. maro ireo hetsika sy fiofanana afaka sitrahan’ireo mpikambana ao anatin’izany. Efa misokatra ny fisoratana anarana ho an’ireo izay liana.

“Ao anatin’ny hetsika ataon’ny Association BTC Ambohimangakely, ny manolotra fanampiana sy fanohanana ireo tanora indrindra ka amin’izao fotoana izao dia misokatra ny Club ato amin’ny ivon-toerana. Ao anatin’izany dia manolotra fampianarana maimaim-poana amin’ireo taranja isan-karazany ny ivon-toerana” hoy i Hasina, tomponandraikitra avy ao amin’ny BTC.

“Efa nahafantarana ny BTC hatramin’izay ny fampianarana ny taranja, hianarana ny teny vahiny toy ny anglisy, ny frantsay, hiampy ny taranja Tantara sy jeografia izany, ny physiques, ny science naturel, ny mathématique ary ny leadership kosa izany ho an’ireo mpikambana, ary hanohana ny mpianatra amin’ny fianarana” hoy hatrany ny fanazavana.

Ao amin’ny pejin’ny BTC, amin’ny alalan’ny hafatra miafina no hanaovana ny fisoratana anarana ho an’ireo izay hiditra Club BTC. Ny toerana misy ny BTC moa dia eo Ambohimangakely, anelanelan’ny Jovenna Double sy ny Galodrome.

Laisser un commentaire