Mozambique : Famindrana olona an’arivony velona taorian’ny fanafihana nataon’ireo “mpampihorohoro” tany Palma
Herinandro lasa izay, nitrangana fanafihana jihadista mahery vaika namono olona am-polony ny tao Palma, avaratr’i Mozambika. Nanomboka teo, mbola eo am-panatanaterahana ny asa famindrana olona an’arivony sisa velona ny polisy any an-toerana. Miteraka voka-dratsy maro any an-toerana izany hatramin’izao fotoana izao. Mponina hatrany amin’ny 8000 kosa no nandositra niala tamin’ny trano fonenana. Miteraka fahasahiranana ho an’ny fitondram-panjakana any an-toerana izao tranga izao; Miantso ny fikambanamben’ny afrikanina moa izy ireo mba hifanampy aminy manolona izao voina izao. Mbola eo am-pametrahana mpiady mpanampy ao amin’ny firenena moa izy ireo ny alarobia 30 martsa lasa teo mba ahafahana mivonona amin’ny mety hisian’ny fampihorohorohona vaovao ataon’ny djihadiste indray.
