CultureTatitra

Gabon: Mitaky ny hamerenana ny saron-tava tsy manam-paharoa amin’i Frantsa

Nitaky ny hampitsaharana ny ady ara-dalàna eo amin’ireo mpivarotra saron-tava ny governemanta Gabon ary hamerenana izany amin’ny vahoakan’ny firenena afrikanina. Ny saron-tava hazo dia nalain’i René-Victor Fournier, izay niasa tamin’ny fitantanan’ny mpanjanaka,  avy amin’ny faritanin’i Gabon ho any Frantsa tamin’ny 1917. Taty aoriana dia namidin’ny taranany, izay monina any Frantsa, ny saron-tava tamin’ny 2021 tamin’ny mpivarotra amoron-dalana tamin’ny vidiny 150 euros (manodidina ny 750 000 ariary). Noho ny nisy nividy 4,2 tapitrisa euros ity saron-tava ity dia nametraka fitoriana tamin’ity mpivarotra ity ireo tompony taloha ka mitaky ny famerenana izany any aminy. Nisy fivarotan-dehibe natao tamin’ny 2022, ka nisy vondrona mpikatroka Gaboney nitaky ny hamerenana ilay saron-tava. Ankehitriny, mitaky ny hamerenana ilay izy ny governemanta Gabon, izay nilaza fa naondrana tsy ara-dalàna avy any amin’ny faritaniny.  Tombanana fa tsy misy mihoatra ny folo toy ity saron-tava ity intsony eran-tany.

Mialy Fanilo

Laisser un commentaire