Andasibe Moramanga: Nitrangana halatra avo lenta
31 oktobra; nitrangana fangalarana avo lenta tao Andasibe Moramanga ny alin’ny alakamisy teo. Nisy nanongotra ny “coffer fort”; vola mitentina 45.978.700 ariary sy « carte bancaire » miisa roa no tsy hita tao anaty trano fandraisam-bahiny iray tao an-toerana. Ny varavarana tsy vaky. Fanalahidy iray no fantatra fa very. Mitohy ny fanadihadiana momba ity raharaha ity amin’izao.
