Ambohibao: Nitrangana lozam-pifamoivoizana
26 oktobra; nitrangana lozam-pifamoivoizana teny Ambohibao omaly alina. Moto nentina lehilahy roa efa somary mamomano no nifatratra tamin’ny tamboho. Samy naratra izy ireo; tapaka ny tongotry sy tsy nahatsiaro tenany iray. Efa nentina namonjy toeram-pitsaboina izy ireo tao aorian’izay.
