DépêchesTsidika

Antsohihy: Teraka tao anaty fiara fitanteram-bahoaka ilay ramatoa

09 Oktobra, Vehivavy nitondra vohoka iray nandeha tamin’ny fiara rezionaly avy any Antsohihy no teraka an-dalana, io maraina io. Nisy olana ilay fiara ka maty an-dalana tamin’ny 02 maraina. Tamin’io fotoana io no nihetsi-jaza ilay vehivavy izay efa ho teraka. Dokotera iray tamin’ireo mpandeha no nandray an-tanana azy. Teo amoron’arabe no notanterahana ny fiterahana. Teraka soa aman-tsara ilay vehivavy ary salama tsara ilay zaza.

Laisser un commentaire