Avaradrano: Entanina ny olom-pirenena haka ny kara-pifidianana eny amin’ny fokontany
Efa tonga eny anivon’ireo biraom-pokontany rehetra ny kara-pidianana, amin’izao fotoana izao. manentana ny mponina mba haka izany ireo tomponandraikitra isan’ambaratongany, indrindra fa ny eto amin’ny distrika Avaradrano.
“Manana adidy lehibe ny fokontany amin’ny fanentanana ny olom-pirenena tsirairay haka ny kara-pifidianana ety amin’ny biraom-pokontany. Izy ireo no tomponandraikitra voalohany misahana izany ka tsy maintsy mamporisika ny olona hanantontosa ny handraikiny amin’ny fiatrehana ny fifidianana” hoy ireo tomponandraikitra avy eny amin’ny fokontany.
“Ny fifidianana dia zo sy adidy. Miankina amin’izany no hisian’ny fampandrosoana sy ny fampivoarana ny firenena. Anisan’ny olana anefa amin’izao fotoana, mihena ny fahazotoan’ny olom-pirenena, indrindra fa ny tanora amin’ny resaka fifidianana. Hita taratra izany amin’ny fahazotoan’ny tanora manoloana ireo fanentanana samihafa manodidina ny fifidianana” hoy i Sergio, mpirotsaka an-tsitrapo.
Ny fakana ny kara-pifidianana dia anisan’ny manamarika fa olona vonona hifidy ary mandray anjara amin’ny raharam-pirenena, dia ny fanatanterahana ny andraikitra amin’ny fifidianana filoham-pirenena. Ny 09 novambra no hanatanterahana ny fifidianana filoham-pirenena eto Madagasikara ka entanina ny tsirairay ahay sy hametraka ny safidy amin’izany.
Manitra R.
