Dépêches

Avaratsena Tsiroanomandidy: Lasan’ny jiolahy ny vola 36 tapitrisa ariary

05 Oktobra, Nitrangana fanafihana mitampiadiana tao Tsiroanomandidy ny alatsinainy alina teo. Tokatrano iray mpivarotr’omby no lasibatr’ireo jiolahy nandritran’ny fanafihana. Niakatra avy teny an-davarangana ny dimy tamin’ireo jiolahy. Ny roa tamin’izy ireo namaky ny varavarana sady nitifitra ireo tompon-trano. Nandositra ireo jiolahy rehefa azony ny vola mitentina 36 tapitrisa ariary. 

Laisser un commentaire