ActualitésTsidika

Ankadikely Ilafy : Nisy ny fivoriana nandinihana ny teti-bola fototra 2024

Nisy ny fivoariana nataon’ny avy eo amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy sy ny SLC ( Rafitra Ifotony Fikaonan-doha eo anivon’ny Vondrom-bahoakam-paritra Itsinjaram-pahefana) ny herinandro lasa teo, nentina nandihina ny mahakasika ny teti-bola fototra 2024, ao an-toerana. Nitarika izany fankan-kevitra izany ny ben’ny tanàna ao an-toerana, Rija Rajaonah.

“Tanjona amin’izao fivoriana izao ny fakan-kevitra sy ny dinika nifanakalozana mba hisian’ny mangarahara amin’ny fitantanam-bola sy hisian’ny fiatraikiny mivantana amin’ny vahoaka ny asa izay tanterahin’ny Kaominina » hoy ny tomponandraikitra.

“Nisongadina ary nodinihana nadritry izao fotoana izao ihany koa ny lafiny maro ho fanatsarana hatrany ny fitantanana ny fidiram-bola sy ny fandaniana amin’ny fampiodinan-draharaha eto an-toerana, ny sosialy, ny toe-karena, ny fanabeazana, ny fambolena sy ny fiompiana, ny fitantanana ny fako, ny tanora sy ny fanatanjahantena ary ny fahasalamana.” Hoy hatrany ny fanazavana.

Antoka iray mampandroso ny kaominina ny fandraisana an-tanana ny mahakasika ireo sehatra sy ny fametrahana teti-bola enti-manatsara na mampandroso izany. Anisan’ny ahitana taratra ny mangaraharaha ao anatin’ny fitantanana ihany koa izany.

Manitra R.

Laisser un commentaire