ActualitésTsidika

Alasora: jiolahy nikasa hanendaka, voatifitry ny mpitandro filaminana

Jiolahy nikasa hanendaka teny Amboniandrefana, ao amin’ny fokontany Ampahibato, kaominina Alasora no lavon’ny balan’ny zandarimaria, ny alin’ny 21 septambra teo. Efa fantatra mialoha ny teti-dratsin’ireo jiolahy ka nahatonga ny zandary nametraka paika nentina niady tamin’izy ireo, raha ny voalaza.

“Nahalala mialoha ny zandarimaria SRC Fiadanana fa hisy jiolahy hanafika. Efa tsara petraka ambody fasana ireo olon-dratsy miandry an’ilay olona kinendry. Kanjo ny zandary no nandalo hifampitsapa vintana amin’izy ireo. Manam-boninahitra iray nitondra zandary telo no nifanandrina tamin’ny jiolahy nirongo fiadiana nandritra izany. Rehefa raikitra ny ady, lavo ny roa tamin’ireo jiolahy, ny roa hafa kosa vaky nandositra” hoy ny avy amin’ny zandarimaria.

“Tena ny resaka fanendahana ety amin’ny manodidina ety. Hisaorana ny mpitandro filaminana manao ny asany satria tena efa ela izahay mponina no nitaraina sy nanao antso avo. Enganie ka mba hitohy hatrany izany mba hamaizana ireo olon-dratsy ireo sy hampandry fahalemana ny tanàna” hoy i Teddy, mponina ao Alasora.

Marihina moa fa nitondra fitaovam-piadiana ireo olon-dratsy ireo, toy ny basy poleta Type MAC sy revolver vita gasy, izay efa nifahana avokoa. Tsy nisy naratra kosa ireo zandary nifanandrina tamin’izy ireo ary efa eo ampikarohana ireo jiolahy tafaporitsaka ankehitriny.

Manitra R.

Laisser un commentaire