ActualitésSocialTsidika

Ambohimangakely: Mety hitera-doza ny tany mihotsaka eo Ambohitrombihavana

 Manao antso avo amin’ny tomponandraikitra ao amin’ny kaominina Ambohimangakely ireo mponina, mpampiasa ny lalana ao Ambohitrombihavana amin’izao fotoana. Ahiana mety hitera-doza ny fisian’ny tany mihotsaka manamorona ny arabe ao an-toerana, raha ny voalaza.

“Mila jerena akaiky ny momba ity tany be eto ity satria mety hitera-doza ho an’ny mponina izy io, raha tsy misy ny fandraisana fepetra mialohan’ny fahatongavan’ny fahavaratra” hoy i Nina, mponina ao Ambohimangakely.

“Tomponandraikitra voalohany tokony handray fepetra ny kaominina sy ny fokontany. Io tany io izay migorisa tsikelikely, maro ny zavatra mety ho simba ary hiteraka olana hafa izany raha tsy misy ny fijerena ifotony” hoy i Anja, mpampiasa ny lalana.

Amin’izao fotoanan’ny maitany izao, anisan’ny mamovoka ary manano-sarotra ny mponina ny mampiasa ity lalana ity. Mampatahotra ihany koa szatria tsy manaraka ny fenitra izany, raha ny voalaza hatrany.

Manitra R.

Laisser un commentaire