SportTatitra

Qatar : Fandresena ho an’i Maverick Viñales tamin’ny lalao fanokafana.

Ilay mpanamory Yamaha, Maverick Viñales, no nandrombaka ny fandresena tamin’ny dingana voalohany amin’ny taompilalaovana 2021 amin’ny MotoGP. I Johann Zarco (Yamaha) no tafiditra faharoa, ary fahatelo kosa i Francesco Bagnaia (Ducati). Fahaefatra, tamin’ity lalao ity, I Joan Mir (Suzuki), izay tompondaka tamin’ny herintaona. Faha-12 kosa i Valentino Rossi (Yamaha). Amin’ny faran’ny herinandro ny fihodinana faharoa, mbola any Qatar ihany.

Laisser un commentaire