Dépêches

Fanatanjahan-tena: Notolorana marim-pankasitrahana ireo atleta tao amin’ny COSFA

Notolorana marim-pankasitrahana ireo atleta ao amin’ny klioba COSFA ( Club OmniSports des Forces Armées) omaly, nandritra ny fanokafana ny fankalazana ny faha 40 taona nijoroan’izany. Anisan’ny ekipa nanandratra avo ny voninahi-pirenena hatrany ireto Ekipa avy eo anivon’ny Minisiteran’ny Fiarovam-pirenena ireo, tamin’ireo lalao fifaninana ara-panatanjahantena isan-karazany nandraisan’izy ireo anjara tao anatin’ny taona maro nifandimby. Araka ny namabaran’ny avy amin’ny Ministeran’ny fiarovam-pirenena hatrany, anisan’ny nandrobaka medaly betsaka nandritra ny lalaon’ny nosy ireo atleta avy amin’ny COSFA. Miisa 28 ny medaly volamena azo nandritra izany, 14 volafotsy, 11 kosa ny medaly alimo

Laisser un commentaire