ActualitésSocialTsidika

Ambohimangakely : Mandroso ny asa fanamboarana ny lalana ao amin’ny fokontany Antanambao

Mitohy hatrany ny asa fanamborana ny lalana ao amin’ny fokontany Antanambao, mivoaka ny tobi-pahasalamana CSB II, ao amin’ny kaominina Ambohimangakely amin’izao fotoana izao. Tonga nijery ny fizotran’ny asa teny an-toerana tamin’ny faran’ny herinandro teo ny ben’ny tanàna miadidy ny tanàna.

“Mandroso hatrany ny fanatanterahana ny asa eto amin’ny fokontany Antanambao. Nandritra ny fitsidihana ny asa natao tety dia nisy ihany koa ny fitondrana vatsy sy fanampiana ho an’ireo mpanatanteraka ny asa tety an-toerana” hoy ny tomponandraikitra avy amin’ny kaominina.

“Ao anatin’ny fanatanterahana ny asa tahaka izao ihany koa no hanentanana ny rehetra mba hanaja sy hikolokolo ary hitandro mandrakariva ny foto-drafitr’asa izay atao. Fananana iombonana izy itony ka tsara ny mifampitaiza sy mifanabe ho tombotsoan’ny rehetra” hoy hatrany ny fanazavana.

Anisan’ny ezaka ataon’ny kaominina ao anatin’ny asa fampandrosoana ny tanàna izao fanamboran-dalana izao. Efa ela ihany koa ireo mponina ao an-toerana no nitaraina manoloana ny faharatsian’ity lalana ity ka izao nitondrana fanamboarana izao.

Manitra R.

Laisser un commentaire