ActualitésTatitra

Italie : Misy ny loharanon-divay maimaimpoana ao an-toerana

Misy loharano mizara divay mena maimaimpoana mikoriana 24ora/24, 7andro/7 ao amin’ny tanimboaloboka Dora Sarchese ao amin’ny tanàna kely Caldari di Ortona, ao afovoan’i Abruzzes. Ny « Il Cammino di San Tommaso » no nanan-kevitra tamin’ny fananganana io loharano io. Natao ho an’ireo mpizaha tany miala ao Rome makao Ortona mba hitsidihana ny katedraly izay hitoeran’ny nofo mangatsikan’i Tomasy, mpanaradia an’i Jesoa izany.

Marihina fa tsy natao ho an’ny mpimamo na koa hitadiavam-bola io toerana io, hakàna saina sy hialàna sasatra izany raha ny fanazavana. Ny loharano ao amin’ny tanànan’i Irache ao Espagne kosa no nakàna ny haingam-pahany tamin’io loharano io. Natao hanala hetateha ireo mpamakivaky ny Saint-Jacques de Compostelle ihany koa izany.

Laisser un commentaire