ActualitésTatitra

Comores : Mpianatra 23 no nahazo vatsim-pianarana avy amin’i Chine

Manoloana ny fiaraha-miasa eo amin’i Chine sy Comores dia mpianatra 23 no notoloran’i Chine vatsim-pianarana tao amin’ny nosy. Ny 14 tamin’ireo dia nomena ny mpianatra tao amin’ny Institut Confucius, ny ambiny kosa dia natolotry ny governemanta ho an’ireo mianatra ao amin’ny oniveristen’i Comores.

Mpianatra 22 hatramin’ny 26 taona kosa ireo nahazo ny vatsim-pianarana ireo. Ny ankahamaroan’izy ireo dia hanohy fiofanana mifandraika amin’ny fiteny sy ny kolontsain’i Chine. Nanamafy ny fahavononan’i Chine manoloana ny fandraisana anjara amin’ny fiofanana ara-teknika sy ara-piarahamonina sy asa kosa ny ambasadoran’i Chine ao Comores, Guo Zhiju nandritra ny fanolorana ireo vatism-pianarana ireo.

Laisser un commentaire