Maurice : Mamoa sahady ireo hazo fihinam-boa
Mamoa sahady ny manga sy ny litchis ao amin’ny nosy Maurice. Mahafaly an’ireo mpamboly voankazo ao an-toerana izany tranga izany saingy manahy ihany koa ny amin’ny maha tsy ara-potoana na « hors saison » azy. Mbola tsy tapitra ny vanim-potoanan’ny ririnina any amin’ny ilabolan-tany atsimo, ary mbola mangatsiaka any atsimon’ny Mascareignes.
Tombontsoa ho an’ny mpamboly ny famonin’ny hazo fihinam-boa tsy ara-potoana saingy mety horavan’ny fiovaovan’ny toetr’andro izany hoy ny injeniera momba ny tontolo iainana, Vassen Kauppaymuthoo. Nanamafy ny sekreteran’ny fikambanana Small Planters, Kreepalloo Sunghoon, fa misy ny onjan’afanana andrana ny volana septambra izao ka ahiana ny fahasimban’ny vokatra sy ny fiandrasana ny fotoam-pamokarana manaraka.
